Mila mailo amin’ny fiatrehana ny rivodoza. Mifanaraka amin’ny filazana voaray ny fihetsika tokony hananana sy ny fepetra raisina. Raha maharay filazana miloko maitso na filazana fanairana ny faritra onenana dia manodidina ny 2 hatramin’ny 5 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza izay.
Tsy tokony hiandriaka intsony, otazana ny voly mba tsy ho ravan’ny rivotra, hamafisina ny trano, tafo, tapahina ireo hazo ahiana hampidi-doza. Atao amin’ny toerana azo antoka ny antontan-tatarasy saropady rehetra ( kopia nahaterahana, bokim-pianakaviana, karnem-pokontany, taratasim-pahasalamana, karazana faktiora). Toraka izany ny fanafody, firavaka sy ny zava-tsarobidy
Raha maharay filazana miloko mavo na loza manambana, efa tena akaiky ny rivodoza. Ampiakarina an-tanety ary afatotra tsara ny lakana sy ny baka. Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsy. Mitahiry rano madio hampiasaina. Manangona vatoaratra sy labozia… Arovana amin’ny toerana azo antoka ny biby fiompy. Ho an’ireo mipetraka amin’ny faritra iva, mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny trano fonenana. Arahina tsy tapaka ny fivoaran’ny toetry ny andro.
Rehafa tena mby an-koditra ny rivodoza dia mahazo filazana miloko mena na loza mitatao ny faritra. Mila tony ny saina miatrika ny fikapokapoky ny rivotra sy ny fiavian’ny orana. Toerana azo antoka no ipetrahana, mihidy ao an-trano, akatona avokoa ny varavarana, tapahina ny herinaratra rehetra. Mitandrina amin’ny mety ho fahatonian’ny andro tampoka fa hiverina hiharatsy izany avy eo. Mifampizara vaovao matetika sy haingana hahafantarana ny fivoaran’ny loza.
Tatiana A