Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny “Nonce Apostolique”, ny Mgr Tomasz Grysa. Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izany.
Nambaran’ity solontenan’ny fiketrahana Masina ity fa vonona hatrany ny hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy ny any Vatikana. “Hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo ezaka ho amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny mitondra anjara biriky lehibe eo amin’ny sehatry ny sosialy ny avy amin’ny fiangonana katolika. Anisan’izany ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana…
Tsiahivina fa efa nisahana andraikitra maro ny “Nonce apostolique”. Efa «Délégation apostolique» tao Jerosalema sy Palestine, nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao nanendrena azy hiasa eto amintsika izao.
Mahafehy tenim-pirenena maromaro : Frantsay; Anglisy; Italianina; Rosianina; Espanola sy Portigey ny Mgr Tomasz Grysa.
Synèse R