Iza izy ? Randrianiainatsimarofy Joseph Antoine. Fantatra amin’ny solon’anarana Naina Bina. Ben’ny Tanànan’ny kaominina Antohobe, distrikan’i Betafo. 37 taona ary manambady sy niteraka telo mianadahy. Anisan’ ny sakafo ankafiziny ny vary maina miaraka amin’ny trondro. Mpankafy sy efa nilalao baolina kitra ny tenany. Anisan’ny fialamboly tiany ny mihira. Eo koa ny dihy “slow” ary ny fitiavana ny hiragasy sy ny hiran’ny mpanakanto toa an-dry Njakatiana, Do Rajohnson, Farakely sy Laza…
Asa efa nosahaniny teo aloha ny teo anivon’ny Birao ifoton’ny fananan-tany (Bif). Efa mpikambana teo anivon’ny Vovonan’ny lehilahy katolika (VLK) amin’ny maha mpino ao amin’io fiangonana io ny tenany.
Resy lahatra tamin’ny teny faneva…
Niditra an-tsehatra teo amin’ny fanaovana politika ny volana novambra, ny taona 2019 ka nisafidy manokana ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM). “Anisan’ny naharesy lahatra ahy sy nidirana tao ny teny fanevan’io antoko io : “Izay manoro lala-mahitsy, mamindra aina” ka tena iainana sy ampiharina izany”, hoy izy.
Niaiky ny tenany fa anisan’ny vato misakana ny fampandrosoana eny ifotony ny tsy fahampian’ny tetibolan’ny kaominina tantaniny. “Tsy afaka miasa firy izahay manoloana izany. Miezaka amin’ny eo an-tanana ihany anefa na izany aza”, hoy izy.
Notanisainy ho anisan’ny zava-bita amin’ny fitantanany ny kaominina Antohobe, any amin’ny distrikan’i Betafo ny fanampiana ny efitranon-tsekoly ho roa, ho an’ny Lycée any an-toerana. Nampiana koa ny dabilio tamin’izany.
Tafo bozaka ireo CEG teo aloha
Teo koa ny nanoloana ny tafo bozaka ho fanitso amin’ireo CEG miisa roa. Nohavaozina ireo biraom-pokontany miisa enina. Fanamboarana tetezana ahafahan’ireo tantsaha mitatitra ny vokatra. Ny fanampiana ara-pitaovana madinika ireo sekoly sy ireo kilasy hiatrika fanadinam-panjakana. Eo koa anefa ny fanohanan’ny MMM ny kaominina tantaniny.
Anisan’ny vina hotanterahina manaraka ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra ny eo anivon’ny kaominina.
Synèse R.