Kick-boxing: tsy hisy K1 amin’ny lalaon’ny Nosy

Ny Low kick irery ihany fa tsy misy K1 ny taranja hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara amin’ity taona 2023 ity, ho an’ny Kick-boxing. Io no tapaka sy nolanian’ireo teknisianina avy amin’ireo Nosy rehetra, nandritra ny fivorian’ny CIJ (Conseil International du Jeu des Jeux des îles) voalohany, nanapahana ireo taranjam-panatanjahantena holalaovina amin’ity andiany faha-11 ity.
Hafaliana tanteraka ho an’ny FMKB ny nahatafiditra azy ireo anatin’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto amin’ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra, izay sambany saingy misy ihany ny indrokely, hoy ny teknisianina eo anivon’ny federasiona, indrindra eo amin’ny fifantenana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena.
Manana atleta sangany maro isika, raha ny fanambarana hatrany, kanefa noho ilay izy voatokana ho Low kick ihany no taranja hifaninanana amin’io lalaon’ny Nosy io , fa tsy anatiny ny K1, izay efa nahazoantsika anaram-boninahitra maro tany ivelany.
Hiankina tanteraka amin’ny fitondram-panjakana ny tetiandro ho an’ny fampivondronana, saingy efa fantatra fa hanatanteraka fivoriambe fanao ara-potoana ny federasiona, izay azo antoka fa ny manodidina ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy no tena hibahanan’ny fivoriana, ankoatra ny fampahafantarana sy fandaniana ireo fandaharam-potoana ho an’ity taom-pilalaovana ity.

Mi.Raz

Partager sur: