Hotanterahina androany, any Arabie Saoudite, ny lalao fihantsiana eo amin’ny klioban’ny PSG Frantsa sy ny All Star d’Arabie, fitambaran’ny klioba Arabo, AL Nassr sy Al- Hilal. Anio koa no ahitana ny fihaonan’i Messi, kintan’ny baolina kitra argentine sy i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ny baolina kitra portugal farany.
Marihina fa efa niainga tany Paris hihazo an’i Riyad, i Messi sy ny klioba PSG izay hilalaovany, tamin’ny talata lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia hahazo lelavola 10 tapitrisa Euro ity ekipa frantsay ity amin’io lalao io. Ny PSG izay nanao fandaniana mihoatra ny 370 tapitrisa Euro nandritra ny taom-pilalaovana 2021-2022.
Ankoatra izay, io no lalao voalohany hataon’i CR7 ao amin’ity taona 2023 ity. Ity mpilalao kalazan’i Portugal ity no voatendry ho kapitenin’ny ekipa All Star d’Arabie. Tsiahivina fa i Ronaldo no mpilalao mikarama lafo indrindra eran-tany amin’ny mpanao fanatanjahantena. Mahazo vola 200 tapitrisa Euro isan-taona izy.
Fitia (Mpianatra asa)