Madagascourt Film Festival: manana ny maha izy azy ny sarimihetsika malagasy

Liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ny Malagasy. Na eo amin’ny famokarana izany na eo amin’ny fanjifana. Mangetaheta fanofanana ny eo amin’ity tontolo ity, hahombiazana mpisehatra bebe kokoa sy hisongadinan’ny sarimihetsika malagasy hatrany.

Tontosa ny alarobia 18 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Ana­lakely ny lanonana fampisehoana ny “Best of de la 17ème Madagascourt Film Festival”. Hetsika karakarain’ny Ren­contre de film court Mada­gasikara na RFC, nampiainana indray ny horonantsary sy ny nanamarika ny andiany faha-17 tamin’ny “Madagas­court Film Festival”.
Nianoka indray ireo ha­kanton’ny horonantsarin’ny “Madagascourt Film Fes­tiival”, andiany faha-17, in­dray ny mpankafy horonantsary, indrindra ny teto Anta­nanarivo. Nanome fahafinaretana ny mpijery ny horonantsary novokarin’ny mpamokatra sy mpanatontosa malagasy sy vahiny. Isan’izany ny horonantsary fanadihadiana mi­tondra ny lohateny hoe “Angle Mort”, notontosain’ilay Toni­zianina, Lofti Achour. Nan­deha tao ihany koa ilay tan­tara foronina, notontosain-dRa­kotovelo Andriaminosoa Hary Joël, ity horonantsary ity izay misolo tena ny Malagasy amin’ny “Fespaco 2023”. Tsy hadinoina ny horonantsarin-dRavelozafy Mahafina­ritra, nampitondrainy ny lohateny hoe “Biby fotsy”, nahazo ny amboaran’ny mpankafy, nandritra ny fifaninanana. Ankoatra izay, tazana tao ihany koa ireo horonantsary, tanatin’ny sokajy rehetra, nandeha nandritra ny fifaninanana. Tsiahivina fa nahatratra 277 isa ny horonantsary nandray anjara nandritra iny “Madagascourt Film Festi­val” iny. Avy amina firenena 26 avy eto Afrika izy ireo.
Tia horonantsary ny Ma­lagasy. Tsapa izany noho ny fahitana ny hamaroan’ny olo­na mifaninana sy miatrika ny hetsika sahala amin’itony. “Manana ny maha izy azy ny tontolon’ny horonantsary malagasy sy ny mpisehatra eo anivon’izany. Manamafy izany ny fisian’ny mpanatontosa malagasy voafidy sy asaina amin’ny fifaninanana lehibe any ivelany. Tokony hisy amin’ izay ny ivontoerana mano­fana sy mampianatra ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika, hampitombo sy hampiroborobo izany”, hoy i Laza, talen’ny Madagascourt Film Festival. Zavakanto ny sarimihetsika ary talenta ny fa­naovana sy fanatontosana ary ny filalaovana azy. Tom­bony ho an’ny Malagasy ny fananana talenta amin’ireo sehatra ireo, indrindra ny tanora. “Mahavelona tokoa ny sehatry ny horonantsary. Maro ny karazana asa miforona amin’ny fanatanterahana sarimihetsika. Tanjona ny hanokatra ivontoerana manokana eo amin’izany sehatra izany”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: