Tany Mahazoarivo Antsirabe ny GMMAR, notarihin’ny filohany, omaly. Notoloran’ ny fikambanana fanampiana ireo sahirana ao amin-dry Masera tamin’ny alalan’ny fanohanan-dRamatao Randrianarisoa Riana Raymonde.
Manoloana ny fiatrehana ny maitsoahitra, tsy nanadino ireo mpiray tanindrazana, mila fanampiana, ny fikambanana Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny GMMAR. Nanolotra vary ho fanampiana ny olona 108, eo ambany fiahian-dry Masera, izy ireo, omaly. Nitarika ny asa sosialy ny filoha nasionalin’ny fikambanana, Ranarison Maminirina na i Mamy Jô notronin’ny mpikambana anatin’ny sampana ao Vakinankaratra. Fiaraha-miasa amin-dRatoa Randrianarisoa Riana Raymonde, renim-pianakaviana, mpanao gazety, mpanao asa soa no nahafahana nanatanteraka ny hetsika. Ity farany izay niahy hatrany ny fikambanana, tamin’ny fitetezam-paritra natao nanomboka ny taona 2017. Ankoatra ny fanaovana asa sosialy, nanampy ara-bola sy fitaovana ary torohevitra tamin’ny fametrahana ny rantsamangaikan’ny GMMAR manerana ny Nosy izy.
Marihina fa tafiditra amin’ ny hetsika fiahiana sosialy ny mpiray tanindrazana, fanaon’ ny fikambanana isan-taona mandritra ny volana janoary ity notontosaina tany Antsirabe ity.
Asa sy firaisankiana
“Iaraha-mahalala fa mafimafy ny volana janoary ho an’ny rehetra, tsy maintsy mivoy fifankatiavana ny fikambanana. Tsy mijanona amin’ny fanaovana politika nahafantarana azy ny GM MAR. Tsy misy tokony hanaovana politika, raha tsy mahatsapa fa ny olombelona aloha no mila tohanana. Tsy maintsy mifankatia ny samy Malagasy ka fihavanana arahin’asa sy azo tsapain-tanana no atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana. “Zava-dehibe ny fanampiana ny mpiara-belona. Tsy hanavahana firehana, tsy hanavahana sokajy, tsy hijerena satam-piarahamonina ny asa sosialy. Izay indrindra no nanohanana ny fikambanana GMMAR, hatramin’izay nisiany. Baikoan’ny fitiavana ny mpiray tanindrazana . Tsy maintsy mivoy firaisankina sy fifanohanana”, hoy kosa Randrianarisoa Riana Raymonde, angady nanana sy vy nahitana izao hetsika izao. Marihina fa efa miara-miasa amin’ny fikambanan-drelijiozy sy fikambanana maro manerana an’i Madagasikara ity renim-pianakaviana ity amin’ ny fanampiana ny sahirana, toy ny any amin’ny faritra Vakinankaratra, Sava, Alaotra Mangoro, Anosy ary Ihorombe.
Nisaotra ny mpanome kosa ny fikambanan-dry Masera, Sainte Thérèse, Mahazoarivo, Antsirabe, nisolo
tena azy 108 mianadahy mianaka, nisitraka ny fanampiana.
Randria