Misafotofoto

Miditra an-tanety anio ny rivodoza Cheneso. Efa misam­boaravoara ny ranomasina. Misafotofoto ny rivotra. Mikija ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratra atsinanana sy atsinanan’ny nosy. Aty an-drenivohitra aza, vao maraina efa misy ny tsiotsio-drivotra hafahafa izany, hatry ny omaly. Midika izany fa mafimafy ny rivotra entiny. Ahiana ho ratsy ny vokatry ny fandalovany eto Madagasikara, indrindra any amin’ny faritra ho teteziny. Hamafisina araka izany ny fanentanana ny olom-pirenena rehetra hanamafy ny fitandremana, andaniny; Ny fivononana amin’ny fanarenana ny simba, ankilany.
Vao manomboka ny vanim-potoan’ny rivodoza. Midika izany fa miditra amin’ny fotoana tsy maintsy ilàna firaisankina sy fiaraha-mientan’ny rehetra isika. Tsy misy afaka hilaza fa mahavita tena sy afaka ny hiolonolona irery isika mianakavy. Sedra iaraha-manana ny sotasotan’ny natiora. Hiaraha-miazaka ny takaitra avelany, araka izany. Marina fa tokony ho manda­vantaona ny fifanomezan-tanan’ny Malagasy tsy vakivolo, saingy ny tranga tahaka itony no atao tafoforana hikopahana ny afom-pifankatiavana, hirehitra misimisy kokoa.
Mitovy tsy misy valaka amin’izay, ny tontolo politika misy eto amin’ny firenena. Misary mangingina izany ny toe-draharaha raha atao jery ivelany. Misafotofoto, mahatsiravina anefa any ambadika rehetra any. Raha mandeha miadana, tsy henoheno ny resaka fanovana governemanta, fantatra fa mbola mitohy ny konokonona amin’ny fandrodanana izay efa mijoro, ataon’ny mpanao politika sasany. Tsy mbola maty tanteraka ilay tsy fitoviam-pijery amin’ny mpanatanteraka sy ny solombavamba­hoaka. Rivodoza hafa endrika, tsy maintsy ho zakain’ny vahoaka Malagasy rehetra manerana ny nosy koa anefa ny vokatr’izany. Loza mitatao manerana ny Nosy, satria tsy maintsy hisy fi­antraikany amin’ny fahasarotam-piainana izany korotana po­litika izany.
Vahaolana iraisan’ireto “ voina” roa ireto, ny firaisan-tsain’ ny Malagasy, fihavanana sy fiaraha-mientana, hisorohana ny fahapotehana faobe. Tsy natao hialokalofana na hialana bala ny olana sosialy efa misy, ka hoentina mampisara-bazana. Ny mi­fanohitra amin’izay no tena izy, isika mahay miara-monina, mahay miara-mitady vahaolana. Indrindra indrindra vahoaka, tsy manaiky ho voafitaka sy voafandriky ny kilalao politika ataon’ ny efa mpanefoefo sy tsy manana olana amin’izay ho atokony any am-bilany. Mila tony isika mianakavy, tsy harodan’io fisafo­to­fotoan’ny rivotra politika misy ankehitriny io.

r.r

Partager sur: