Ravan’ny mpitandro ny filaminana ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano. Tra-tehaka tamin’ny alalan’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ireo efa-dahy mpangalatra moto tao Bazary Be, Toamasina, omaly. Niditra tao amina tranon’ny mpandraharaha iray tao an-toerana, lasan’izy efa-dahy ireo ny moto tamin’ny 2 ora maraina. Nampandre avy hatrany mpitandro filaminana ny tompon’entana very. Natao ny fanadihadiana ka niroso tamin’ny vela-pandrika niaraka tamin’ny ekipany ny kaomandin’ny FIP ao Toamasina, Rafaliarivo Jules. Vokany, noraisim-potsiny tao Tanambao V ny roa tamin’ireo jiolahy. Efa teo am-pivarotana ity moto halatra ity izy mirahalahy ireto. Nofotopotoran’ny polisy, nitoroka ireo namany roa hafa niara-nanao ny asa ratsy taminy ireo voasambotra voalohany. Nahitana entana halatra hafa koa tany amin’izy efa-dahy ireto. Niaiky heloka, eo am-pikarohana ny mpaniraka azy efa-dahy ireto ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.