Nivory maika ireo filoham-piangonana: hiteny sy haka fanapahan-kevitra ny FFKM

Nivory, maika, omaly ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM, niaraka amin’ny birao foibe. Tsy nisy nipika ny dinika teo amin’izy ireo. Na izany aza, nambaran’ny loharanom-baovao fa hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ny fiangonana. Fotoana hanatanterahana ny “Herinandron’ny firaisam-pinoana”, efa fanao isan-taona. Hatao eny amin’ny fiangonana Anglikanina, Am­bohimanoro izany, ny alahady ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hotan­terahina amin’izany koa ny famindram-pitantanana eo amin’ny filoha am-perinasan’ny FFKM, ny avy amin’ny Anglikanina, ny Mgr Ranari­velo Samoela Jaona sy ny hitantana amin’ity taona ity, ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi.
Tsiahivina fa nasiaka sy hentitra ny hafatra Noely, na­mpitain’ny FFKM, ny 27 desambra teo. Niantso ny re­hetra handinika sy hanetry tena izy ireo tamin’izany. “Aoka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin’ny halovana sy ny ratsy fanao”, hoy ny hafatra. Nambaran’ny fiangonana fa hafaliana tsy mety tonga lafatra ny Noely vokatry ny savorovorom-piainana.

Mihatra amin’ny ankalana ny fahantrana

Ny fahantrana efa mihatra amin’ny akalana, miofy akondro vava ny ankamaroan’ny Malagasy. Simba ny tontolo iainana hany ka manjavozavo ny hoavy, toa mifanipaka toy ny valala ankarona ny mpiray tanindrazana, very ny soatoavina. Anton’izany rehetra izany ny fahantrana ara-tsaina sy ara-materialy, indrindra ny ara-panahy. “Aoka hibebaka amin’ireo fahotana mampisaraka antsika amin’Andria­manitra. Mifamelà heloka, mihavana amin’ny olona re­hetra anatin’ny fiaiken-keloka, ny fibebahana, ny fahamarinana, ny fihavanana (4F). Aoka tsy ho mpihaino fotsiny isika, fa tena iainana ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny hafatra Noely farany teo. Natsidiky ny FFKM koa anefa ny fanorenam-pirenena, ka­sain’izy ireo hatao amin’ity taona ity ka nalaina tamin’ny soratra Masina. “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray.” (Jer 1:10).

Synèse R.

Partager sur: