Novidiana taty Madagasikara : trondro 3,5 t tratra tatsy Mayotte

Namoaka fampahalalam-baovao ny prefektioran’i Mayotte, ny 17 janoary teo. Nambarany fa nisy hetsika nataon’ny tompon’andraikitra mikasika ny jono sy ny fari-dranomasina any an-toerana, nahitana sampandraharaha maromaro, ny zoma 13 janoary 2023 lasa teo. Nisy sambo nitondra hazandrano, manana laharana any Mayotte, nosavain’ny vondrona mpanara-maso ny morontsiraka (ULAM). Tsikaritra fa tsy nanana taratasy mikasika ny fiarovana ilay sambo, sy tsy feno ihany koa ny fitaovana fiarovana ananany sady efa antitra. Manampy izany, tsy mifanaraka amin’ny anaran’ny tatsambo hita ao anaty lisitra ny olona tao anatin’ity sambo ity. Namoahana tatitra milaza fa nitondra hazandranomasina tsy ara-dalàna izy ireo avy eo.
Taorian’ny tohin’ny fanadihadiana natao no nahitan’ireo tompon’andraikitra any Mayotte, fa tsy avy ao amin’ny fari-dranomasina frantsay (Mayotte) ireo trondro nentin’ilay sambo, fa hazandrano efa nasiana laglasy, novidiana avy aty Madagasikara ary entina hamidy any Mayotte, izay natao ho toy ny avy any an-toerana ihany. Milanja 3,5 taonina ireo trondro tsy ara-dalàna ireo. Voararan’ny lalàna any an-toerana ny fanao toy izany, ary sazian’ny fitsarana any Mamoudzou Mayot­te mafy tokoa.

Njaka A.

Partager sur: