Olan’ny rano sy ny fizarana trano: manome 10 andro ny mpitantana ny mpianatry ny oniversite

Mitohy ny fampianarana amin’ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny fakiolte sasany eny Ankatso ka tsy voakasiky ny fitakian’ny Seces. Etsy andaniny, mitaraina koa ireo mpianatra noho ny olan’ny famatsiana rano sy ny fizarana efitrano.

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 mandranto fianarana eny amin’ny oniversiten’An­tananarivo, omaly, teny An­katso II. Ny olan’ny famatsiana rano sy ny trano fonenan’ny mpianatra no nozarainy tamin’ny mpanao gazety. Efa ho roa volana no tapaka ny rano ary tsy tonga eny amin’ny efitranon’ny mpianatra in­tsony. Teo aloha misy fiarabe manatitra rano hampiasaina, amin’izao fotoana izao, indray mandeha isam-bolana sisa no mandalo ilay fiara ka miteraka fahasahiranana. Eny Ankatso II, ora iray isaky ny alina no mahazo rano eny amin’ny paompy. Tsy afaka matory fa milahatra miandry rano satria amin’ny 12 ora alina no mandeha ny famatsiana, araka ny fitarainan’ny mpitondra tenin’ny fikambanana, i Tsarahasina Stephan.
Momba ny trano fonenana indray, vokatry ny taom-pianarana nifanosona, betsaka ireo mpianatra avy any amin’ny faritra tsy nisitraka trano. Mampiantrano ireo namana izay efa manana efitrano. Mangataka ny hizarana ny trano R+1 miisa roa eny Ankatso II ireo mpianatra satria efa nampanantena io fotodrafitrasa vaovao io ny minisitry ny Fampianarana ambony, ny volana marsa 2021. Tsy mbola misy fitaovana ao anatin’ny trano, araka ny hita teny an-toerana omaly. Mangataka ny hamahan’ny mpiandraikitra ny olana momba ny rano sy ny trano ireo mpianatra ka manome 10 andro hitondrana vahaolana. Rehefa dila ny fe-potoana, hiditra hipetraka avy hatrany eny ireo efa nanao fangatahana trano nefa tsy mbola nahazo valiny.
180 eo ho eo ny isan’ny efitrano ao anatin’ny cite U R+1 roa, afaka mandray mpianatra roa isaky ny efitra. Amin’izao fotoana izao, manefa vola 30.000 Ar isan-taona ny mpianatra eny
amin’ny cite U “rose” hofan-trano sy saran’ny fampiasana jiro sy rano. Miara-monina ao anaty efitra iray ny mpianatra efatra.
Nanamafy koa ireo mpitondra teny fa tokony hamboarina avokoa ny tranon’ny mpianatra may rehetra toy izay nitranga teny Vonto­vorona farany teo.

Vonjy A.

Partager sur: