Pasitera Razafindramanitra Nestor: “Tsy lampihazo politika ny polipitra”

“Natao hampitana ny hafatr’Andriamanitra ny polipitra izay an’ny fiangonana. Marobe ny vahoak’Andria­manitra, samy manana ny heviny, samy manana izay andrasany ao am-piangonana. Tsy lampihazo politika ny polipitra, tsy natao hanehoana ny hevitry ny tena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafidramanitra Nestor, momba ny toriteny, teny amin’ny Coliseum An­tsonjombe tamin’ny 15 ja­noary lasa teo, izay nahabe resaka sy adihevitra etsy sy eroa.
Natao hitoriana ny fahamarinana sy ny antson’ An­dria­manitra ny polipitra. Ma­nana hevitra ny tena dia atao izay fahaizana mamoaka an’izay. Mangataka ny Tompo ny amin’izany, fa tsy kabary politika no atao. Tsy fanehoan-kevitry ny tena manokana ny toriteny, fa famoaboasana ny Tenin’Andriamanitra. Marina fa misy asan’ny saina ao anatin’izany, fa mila manontany tena eo anatrehan’ny Tompo ny tena: izany hafatra izany ve tena asan’ny fanahy sa ny an’ny tena manokana?
Ny manahirana, ilay vavaka manao hoe: inona no nahatonga ny fitondrana eo? Ny Romana 13 milaza fa tsy misy fahefana afa-tsy avy amin’ Andriamanitra na iza na iza. Nahoana no mivavaka hoe ahoana no nahatonga ny fitondrana eo? “Nefa nisy fifidianana teto”, hoy izy. Mam­pandini-tena be izany. Na inona na inona firehan-kevitry ny tena, andraikitry ny fiangonana ny mivavaka ho an’ny mpitondra raha mbola mampiasa Baiboly. “Taom-pifidianana ity: andeha isika hivavaka ho an’ny Ceni, ho an’ny tomponandraikitra rehetra… Efa voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ve ianao?” hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: