Maniry fifidianana madio sy eken’ny rehetra ny mpanohitra amin’ny fifidianana ho avy eo. “Ny firosoana amin’ny fifampiresahana sy fikaonandohan’ny rehetra ao anatin’ny fo madio, milamina ary tony ny vahaolana tsara indrindra”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard, omaly, tetsy Bel Air. Soso-kevitra entina mamaha ny zava-mitranga eto amin’ny firenena io fa ekena ny vahaolana hitan’ny hafa hamahana ny olana, araka ny nambarany.
Naneho ny heviny momba ny toritenin’ny pasitera Andriamampianina Zaka koa ny tenany. Nambarany fa tsy natokana ho an’ny mpanohana ny fitondrana ny toriteny tamin’iny fotoana iny. Natao ho an’ny firenena.
Voakasik’izany avokoa ny rehetra ka samy mandray ny tandrify azy ny tsirairay avy na mpanohana ny fitondrana na mpanohitra, araka ny nambarany. “Tsy manindrona vondron’olona manokana ny pasitera fa manitsy ny dian’ireo manao ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa tsy misy ambadika ny toriteny ary tsy misy idiran’ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy tiana hivarina any an-kady ny firenena ka nahatonga ny pasitera Andriamampianina Zaka hanao ireny toriteny ireny. Niantefa tamin’ny solombavahoaka Raholdina Naivo ny tenany fa ny fahasahiranan’ny olona sy ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena hanaovana fanadihadiana fa tsy ny toritenin’ny pasitera.
Mino (Mpianatra asa)