Nitombo hery ka lasa rivodoza mitondra anarana hoe: “Cheneso” ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasina Indianina, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro tao anatin’ny filazana manokana momba ny rivodoza, omaly atoandro. Nikisaka nianandrefana izy tao anatin’ny enina ora farany ka nahafaka 35 km isan’ora. Tamin’ny 12 ora atoandro, omaly, tany amin’ny 361 km atsinanana somary avaratra atsinanan’ Antalaha no nisy ny foibeny. Niakatra ho 75 km isan’ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 105 km isan’ora. Tombanana hiditra an-tanety anio eo anelanelan’i Vohémar sy Cap Est ity andro ratsy ity ka mety hitondra tafiotra manodidina ny 100 ka hatramin’ny 120 km isan’ora. Noho izany, nahazo filazana loza manambana miloko mavo i Diana, Sava, Analanjirofo ary Atsinanana ary filazana fanairana miloko maitso ho an’Alaotra Mangoro sy Sofia. Ahina mafy ny rotsakorana betsaka mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka. Mety hiitatra any Boeny sy ny afovoan-tany ny rotsakorana hatramin’ny alahady izao. Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Cap d’Ambre sy Mahanoro tsy hiandriaka intsony. 24 ora ka hatramin’ny 48 ora mialoha ny fiavian’ny rivodoza no mahazo filazana mavo. Nampahafantatra ny zavatra rehetra tokony hatao rehefa mahazo ny filazana miloko mavo (manambana) ny Foibe misahana ny fitantana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) amin’ny tambajotra sosialy.
Vonjy