Taxi Moto: hiavaka ny mpitatitra ara-dalàna

Hihaona eny Malaza Ampitatafika ny mpikatroka amin’ny sehatry ny taxi-moto izay mivondrona ao amin’ny Vovonan’ny Taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), amin’ny asabotsy izao. Ha­neho fampiraisana sady fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao izy ireo amin’
izany.
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny VMTM, fa amin’io koa no hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny maha ara-dalàna ny asan’izy ireo ary hanehoana ny taratasy ara-dalàna. Haseho amin’io ihany koa ny fanamiana mampiavaka ny mpiantsehatra.
250 ireo tena miasa ara-dalàna manana karatra ary voasoratra anarana. Mahenika ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo.
Tsy tena mbola milamina ny fiantsonan’ireo taxi-moto hatreto. Misy kosa ny vaomiera iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mamolavola ny laminasa rehetra hahafahana mamaritra ny fiantsonana mazava.
Manomboka eto dia hia­vaka ny mpitatitra amin’ny moto. Olona azo antoka avokoa ary nandalo fiofanana ireo miasa ara-dalàna ireo. Fomba anehoana sy hanomezana toky ny mpanjifa ny fidirana amin’ny ara-dalàna.
Ao anatin’ny fandrafetana ny fepetra rehetra hahalavorary ny asa ny VMTM. Havao­zina hatrany izany mba haha matihanina tsara ny asa, hoy hatrany ny sekretera jeneraly. Ao anatin’izany ny famaritana ny karazana moto tokony hiasa. Hojerena koa ny tohana tokony homena mba hahatomombana ny asan’ireo mpitatitra amin’ny moto.

Tatiana A

Partager sur: