Maro ireo tanora manan-talenta amin’ny sokajy zavakanto an-tanàndehibe, indrindra ny mozika. Ny sehatra hivelarana sy ny lalan-kizorana matetika no tsy ampy amin’ izy ireo. Antom-pisian’ny hetsika “Urban Talenta” ny hanasongadina ireo talenta vao, izay tsy ampoizina ny ankamaroany. Lalao nokarakarain’ny fikambanana La Rue nous concerne tao amin’ny “facebook” izy ity. Nasaina nandefa “video” isan-tsokajy ireo nifaninana, izay nisy 30 mahery. Arakaraka ny safidin’ny mpankafy tao amin’ny pejy “facebook” kosa no nakana ireo manan-talenta 9 hiatrika ny famaranana, ny asabotsy 21 janoary izao, etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, manoloana ny banky BOA.
Iray ihany isaky ny sokajy “Rn’B”, “Rap” ary “Tropical” no hahazo ny fandresena amin’izany. Hahazo loka toy ny famoahana rakitsary ireo voafidy mendrika indrindra amin’io famaranana io. Hisy fiaraha-miasa mitohy ihany koa, izay hanoritra ny lalan’ireo mpanakanto eo amin’ny tsenan’ny mozika aorian’izay.
Tsiahivina fa i Didalos no voafidy ho mpiahy ny hetsika. Hisy seho hataony ihany koa manditra io fotoana io. Efa mivonona, araka izany, izay mpanohana ireo tafakatra: Prince Sedar, Rhyad, art Kalo, Rangita, Y’One Randria, Tanjona, Dyx, Kym, Chamir ary Fam.
Zo ny Aina