Hamboly hazo indray ny eo anivon’ny fianakaviamben’ ny Antenimierandoholona ho tohin’ny efa natao tany Tsaramasoandro, Ankazobe ny taona 2022. Hotanterahina ny zoma 3 sy ny asabotsy 4 febroary izao izany. “Hampitomboina ho 64 000 ireo zanakazo hovolena amin’ity taona ity raha 40 000 izany teo aloha. Hitombo tahaka izany koa ny velaran-tany hovolena ka maherin’ny 40 ha izany. Tanjona ny hampitombo ny zanakazo sy ny velaran-tany volena”, hoy ny fanambaran’ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, omaly.
Efa eo am-pikarakarana sy fanomanana izany ity andrimpanjakana ity amin’izao fotoana izao. Nivory momba izany ny kabinetran’ny fitantanana eo anivon’ny filoha, notarihin’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rabetsaroana Sylvain, misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena. Teo koa ny filohan’ny “Cellule environnement et reforestation” ao amin’izany kabinetra izany sy ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Randriamiaramisaina sy ireo tompon’ andraikitra mpitantana isan-tsokajiny etsy Anosikely. Nodinihina tamin’izany ny laminasa rehetra mifandraika amin’izany fambolen-kazo izany.
Synèse R.