Anisan’ny hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ihany koa, amin’ity taona 2023 ity, ny ekipam-pirenena malagasy Senior lehilahy, ho an’ny taranja basikety 3×3. Efa fantatra ny daty ofisialy hanaovana ity fifaninanana ity, izay hatao any Autriche ny 30 mey hatramin’ny 5 jona izao. Raha ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasin’ny basikety, efa eo an-dalam-pandaminana ny fanomanan-tenan’ireo mpilalao malagasy izy ireo amin’izao, izay araka ny nambarany dia mety hisy ny fanomanana hatao ivelan’i Madagasikara mba hahafahana maka traikefa mialohan’ny hiatrehana ity lalao goavana afaka efa-bolana ity.
Mi.Raz