Miavaka kely indray ny amin’ity… Tarika roa samy manana ny lazany eo amin’ny hatsikana no hampiarahan’ny LH Pro an-tsehatra, mandritra ny “Amour Rire” manaraka eo. Seho hotontosaina ny alahady 19 febroary, etsy amin’ny CCEsca Antanimena izy ity. Ny tarika Fou Hehy, ahitana an’i Eric sy i Honorat ary ny tarika Etsetra Etsetra ahitana an’i Riri sy Aldini no hifampizara ny sehatra amin’ity indray mitoraka ity.
Tsy mivaona amin’ny fototra niandohany ny “Amour Rire”: fampisehoana hatsikana laroina hira, izay manodidina ny resa-pitiavana rehetra, satria atao hanamarihana ny fetin’ny mpifankatia hatrany izany. Manomboka any amin’ireo hatsikana “maivamaivana”, hatrany amin’ireo “masira” izany, araka ny handrasan’ny mpankafy ny fampisehoana toy itony. Na izany aza, fety natokana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka io, raha ny fanamafisana avy amin’ny mpikarakara.
Raha tsiahivina, anisan’ireo mpanao hatsikana anatin’ny sokajy zokiny amin’izao fotoana izao ny tarika Fou Hehy. Efa tany amin’ny taona 1994 tany no nanombohan-dry Honorat sy Eric, tanatin’ilay fandaharana “Tokelaka” nandeha tamin’ny TVM. Tarika Gager’s no nisaloran’izy ireo tamin’izany. Taty aoriana, niova ho Fou Hehy ny anaran’ny tarika rehefa niditra i Zafihita na Rafilômena. Niova ho “Torak’Hehy” ihany koa ny anaran’ny fandaharna, izay vao mainka be mpanaraka isan-kariva, satria nitondra tsiky ho an’ny mpianakavy izany. Na teo aza ny fodiamandrin’i Zafihita ny taona 2007, nanohy ny hatsikana sy ny fanentanana hatrany i Eric sy Honorat, ary manana sanganasa vaovao hatolotra amin’io fotoana io ny tarika Fou Hehy.
Tarika niforona taorian’ny fifaninanana natao hitiliana izay ho mpanao hatsikana ho mpandimby ireo efa fantatra kosa ry Etsetra Etsetra. Nisongadina tao anatin’ny maro i Riri sy Aldini, satria efa zatra niaraka fahakely amin’ny maha mpihavana akaiky azy ireo. Anisan’ireo mpanentana ny fandaharana “B-Louh” tao amin’ny RTA, rehefa nitsahatra ny “Kidaona maraina” izy ireo. Niantsoroka ny fandaharana hatsikana nandeha tamin’io fahitalavitra io ihany koa. Nampalaza ny tarika Etsetsa Etsetra ny “Vazovazy”, nanovan-dry zalahy ny tononkira malaza, ho hatsikana. Nanaraka taty aoriana ny fanaovany an’i Zisy sy i Lenina, izay ampahan-tseho handrasan’ny mpankafy foana.
Zo ny Aina