Fampandrosoana ifotony: hanangana fikambanana ny fokontany any Toliara II

Hivondrona anaty fikambanana ny sefo fokontany any amin’ny kaominina efatra ao anatin’ny distrika Toliara II. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, iatrehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena mba hisian’ny asa ho an’ny mponina.

Nanao fivoriambe ny lehiben’ny fokontany sy ny lefiny, miisa 70 ao amin’ny kaominina efatra (Tsianisiha, Ankilimalinike, Manombo, Marofoty), hita ao anatin’ny distrika Toliara II tany Mangily Belalanda, oma­ly 19 janoary. Nitarika izany ny solombavambahoaka voafidy tany Toliara II, Rochelin Houssen. Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny lahadinika. Voalohany, ny fiarovana ny zon’ny sefo fokontany sy ny lefiny, amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana. Faharoa, ny fiaraha-miasan’ny fokontany sy ny lehiben’ny Dina hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Fahatelo, nisaorany ny filoham-pirenena ny hampitomboana avo telo heny ny tambin-karama’ny sefo fokontany sy ny lefiny. Ary farany, ny fampandrosoana ny fokontany tsirairay ao anatin’ny kaominina efatra.
Nanazava ny fomba fa­nanganana fikambanana ra­matoa lehiben’ny distrika Toliara II. Hanohana azy ireo amin’ny fizarana karatra ihany koa ity olom-panjakana ity, azo aseho ny mpitandro filaminana sy ny mpiasam-pan­jakana isan-tsokajiny amin’izay ilàna azy. Namba­ran’ny solombavambahoana fa, «Aoka ho modely ho an’ny fokontany hafa aty Atsimo Andrefana ianareo amin’ny fanatanterahana ny asam-bahoaka sy ny asam-panjakana, ao anatin’ny fahamarinana sy ny filaminana ary ny fifanajana, satria  izay mitambatra no hery ».

« Sokafy andriamatoa filoha ny Base Toliara »
Eo amin’ny lafiny fampandrosoana, notsorin’ny de­piote Rochelin Houssen, fa hita ny ezaka iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny tsy miankina any amin’ny kaominina any an-toerana. Isan’izany ny orinasa IOT, miompy zanga sy lomotra, ny Ocean farmer miompy lomotra, ny Maprocid, orinasa vaovao miompy lomotra ihany koa. Notsindriany fa mila jerena ny tombony sy ny vokatsoa amin’ny fisian’ireny orinasa ireny, sy koa ny fisi­an’ny famoronon’asa. Nanga­tahany ny hiverenan’ny orinasa Blue Ocean, niompy tsilatsila, hiasa any amin’ny fokontany mety aminy, izay niato ankehitriny.
Nomarihin’ny solombavambahoaka manokana ireo kaomina roa, Tsianisiha sy Ankilimalinike. Efa nisy ny orinasa vaventy Base Toliara niasa tany, ka angatahan’ny mponina ny hisokafany in­dray. « Mangataka amin’ny filoham-pirenena ny tenako, ny hanokatra indray ity orinasa ity, mba hipaka isan-tokantrano ny fampandrosoana en­tiny. Feon’ny Zanahary ny feom-bahoaka. Mankasitraka ity fisian’ity orinasa ity ny maro an’isa amin’ny mponina isam-pokontany », hoy ihany izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: