Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy efatra, raha eny Antanimora kosa ny vehivavy iray rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona teny Behoririka izy ireo…
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireto olona dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanafihana narahana vonoan’olona nahaverezana volabe 136 tapitrisa Ar teny Behoririka, ny 29 desambra 2022 lasa teo. Ny efatra tamin’izy ireo, naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy raha eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny vehivavy iray. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, taorian’ity raharaha vonoan’olona ity, nanao izay ho afany ny zandary avy ao amin’ny kaompania Antananarivo renivohitra tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy. Nohamafisin’ny zandary fa voarohirohy tamin’ity raharaha ity izy dimy mianadahy ireto izay fantatra fa niray tsikombakomba sy niray tendro tamin’iny fanafihana iny. Lehilahy iray avy naka vola tamina banky iray teny Analakely ity notifirin’ny jiolahy teo Behoririka ity tamin’io fotoana io. Maty tsy tra-drano ilay niharam-boina ka nalain’ireo jiolahy ny volabe 136 tapitrisa Ar. Nilaza ny zandary fa ankoatra ireto olona dimy naiditra am-ponja ireto, mbola misy jiolahy hafa karohina, isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanafihana ity. Nomarihin’ny zandary fa efa nigadra teny Tsiafahy ny roa lahy tamin’ireto tratra ireo, kanjo izao niverina nanohy ny asa ratsiny izao indray. Mangataka fiaraha-miasa ny zandary ho an’ireo izay manam-baovao momba ity raharaha ity mba hiantso ny laharana 034 14 006 51.
Jean Claude