Fanendrena tale : novana ny an’ny HJRA, HJRB, CHU Andohatapenaka

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanendrena ireo tompon’andraikitra voalohany hitantana indray ireo hopitaly lehibe eto Antana­na­rivo. Anisan’izany ny HJRA, HJRB ary ny hopitaly manara-penitra etsy Andohata­penaka.

Notendrena tamin’izany Ramarolahy Andriatiaray Rija Niaina, hitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Jo­seph Ravoahangy Andriana­va­lona (HJRA) etsy Ampefi­loha.

Mpitantana vaovao ny Centre Hospitalier Universi­taire Joseph Raseta Befelata­na­na etsy Mahamasina kosa Ra­kotovao Andriamiadana Luc.
Notendrena ihany koa Raboba Julia Liliane, ho tale mpitantana ny Centre Hos­pi­talier Universitaire etsy An­dohatapenaka na ny hopitaly manara-penitra.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hitondra fanatsarana amin’ ny fomba fandraisana eny anivon’ny toeram-pitsaboana sy ny hopitalim-panjakana amin’ ity taona 2023 ity. Eo koa ny fanairana ny mpiasan’ny fahasalamana ho tia sy tena hanatanteraka ny asany izay asa masina tokoa. Manana andraikitra amin’izany fanavaozana izany ireto tompon’andraikitra vaovao ireto ary hotsarain’ireo marary sy mpikarakara marary, mila raharaha mivezivezy eny ny asan’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: