Teknolojia hiaka farany amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ny tanjaka 5G, raha ny 4G no mbola miasa eto amintsika. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, omen’ny tanjaka 5G vahana kokoa ny onja manana « gamme » 3.5 GHz na ny onja (bande) laharana 78 (3,4 GHz hatramin’ny 3.8 GHz) sy ny laharana 26 GHz, na ny laharana 258 (24.75 hatramin’ny 27.5 GHz).
Tena be mpampiasa indrindra maneran-tany ny onja 3.5 GHz. Manamarika anefa ny Antokon-draharaha mandrindra ny fifandraisan-davitra sy ny serasera (Artec) eto Madagasikara, mbola ampiasaina amin’ny zavatra (servisy) hafa io onja io. Ilaina araka izany ny fanandramana, mba handrindrana ny onja tokony hampiasaina, mba tsy hisian’ny fifangaroana (interférences) eo amin’ny samy mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra.
Mampikorontana ny fifandraisan-davitra
Efa nanomboka tamin’ny desambra 2019 ny andrana ny 5G, nataon’ny orinasa mpandraharaha iray eto an-toerana niaraka tamin’ny Artec. Miisa 20 ny toerana nanaovana andrana ny 5G eto Madagasikara, ka 17 eto Antananarivo ary 3 any Toamasina, ka nanao ny fanaraha-maso teknika ny Artec. Nijerena ny hafainganam-pandehan’ny fanaovana « téléchargement », ny fandefasana ny fifandraisana (connexion) ary koa ny tanjany. Tsikaritra fa mbola misy ny zavatra tsy araka ny tokony ho izy. Miparitaka ny onja, ka mampikorontana ny tambajotra hafa, tsy ahafahana mbola mampiasa ny 5G. Eo am-pikarohana ny vahaolana ny Artec.
Ankoatra izany, misy mpandraharaha iray hafa koa efa mikasa ny hampiasa ny 5G, saingy tsy mbola nanao ny fanandramana izy ireo.
Njaka A.