Fikambanana IFI : manohana ny filatsahan’ ny filoha Rajoelina

Nanambara ny fikambanana IFI fa manohana hatrany ny filoham-pirenena Rajoeli­na Andry raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety teny Tsiadana, omaly. Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroany hatrizay izy ireo fa manohana sy manome tanana hatrany ny fitondram-panjakana, ankehitriny. «Hano­me hery sy ny fahaizana rehetra ho fiaraha-miasa amin’ny fitondrana izahay”, hoy ny filohan’ny fikambanana IFI, Ramanambintana Richard. Tanjona ny mba hanatanterahana sy hahatrarana ny velirano, hanasoavana ny firenena. Nilaza izy fa tsy manana fahavalo na iza na iza rehefa manana vina sy hevitra mitovy amin’ny fampandrosoana toy ny misy ankehitriny.
Mampirisika ny fikambanana sy ny olon-drehetra manerana ny Nosy izy ireo mba ho tonga hijery sy hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana. Mba ahafahana mandray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo. Manohana tsy misy fe­petra ny firotsahan’ny filoham- pirenena Rajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny IFI. Ni­fampiarahaba nahatratra ny taona vaovao izy ireo ary nankalaza ny faha-15 taona nijoroany. Nanatrika ny lanonana ny mpikambana rehetra eo anivon’ny fikambanana tamin’izany.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: