Karate-Do Malagasy: mitohy ny disadisa eo amin’ny mpitantana

Efa dila ny 48 ora. Fe-potoana nomen-dRatefina­na­hary Emile, filohan’ny Fede­ra­siona ny taranja Karate-Do Malagasy, hanaovan-dRa­ma­toa Rakotozafy Rosa, tale jeneralin’ny ministeran’ny Fanatanjahantena (MJS), ilay «Certificat de conformité» sy ny «Attestation de fonction». Tonga nitaky izany sy nangataka fihaonana tamin’ity ta­len’ny fanatanjahantena ity, ny solontenan’ny Federasiona izay notarihan’i Emile R. sy ireo solontena roa avy amin’ny ligy 11, teny amin’ny bi­ra­on’ny MJS Ambohijatovo, omaly.
Tsy tratran’izy ireo tao anefa ny talen’ny minisiteran’ ny Tanora. «Nangataka fihaonana tamin’io tale io izahay saingy tsy tao izy, ka noho izany dia ny sekreterany no nandray anay. Nasain’izy ireo nameno taratasy fangatahana fihaonana izahay, mba hiresahana momba ilay“Certificat de Conformité”sy “Attesta­tion de Fonction”. Nanamafy tamin’io sekretera io izahay mba handefa mivantana an’io taratasy fangatahana fihaonana io amin-dRamatoa talen’ny fanatanjahantena.” hoy i Hery Lucien, tale teknika lefitra eo anivon’ny Federasiona Karate-Do Malagasy.
Araka ny filazan’izy ireo, ilaina ireo taratasy roa ireo mba hahafahan’ny filoha Emile R. manao ny asany ary hahafahan’i Madagasikara man­dray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena, isan’izany ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay atao eto amintsika.
Taorian’izany, nisy ny fivoriambe nataon’ny Fede­ra­siona Karate-Do notarihin’ny filohany, Emile R. sy ireo filohan’ny ligy 11, nandany azy tany Fianarantsoa, ny 1 oktobra lasa teo. Tsiahivina fa ny ligy no rafitra faratampony eo anivon’ny Federasiona.
Ankoatra izay, na teo aza ny sazy teo anivon’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao ho an’ireo mpitantana roa, mitohy hatrany ny fiofanana sy fampivondronana ho an’ireo atleta hanao ny JIOI 2023 satria ny lehibe no niharan’ny sazy fa tsy ny atleta.
Noho ny tsy fahazoana alalana na « Visa », tsy afaka nandray anjara tamin’ny fifaninanana “Open de Paris” ireo atleta malagasy valo (telo vavy sy dimy lahy) avy amin’ny Karate-Do malagasy. Fifanintsanana izay manomboka anio ka hatramin’ny 22 janoary 2023.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: