Kolontsaina sy zavakanto: lany andro maka tahaka sy manao fampitahana ny Malagasy

« Ny soa fianatsa », hoy ny fahendrena malagasy. Tena izay mihitsy ve ny iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ankehitriny ? Misy ny mitaratra fa ao ihany koa ireo tarafina. Ito farany izay azo sokajiana ho manana ny tsara halain-tahaka… Tsy tonga hatramin’ny farany anefa ny « soa fianatsa » fa matetika tafajanona eo amin’ny fampitahana, dia izay !

Na lazaina fa ahitana ny kolontsaina sy zavakanto, tsy ananan’ny firenen-kafa aza eto Madagasikara, tsikaritra fa mijanona ho lazam-balala izany. Na ihany koa, valalanamboa ka na ny tompony aza tsy tia. Ankoatra io, tsy takona afenina fa mirohotra mankany amin’ny rebikondry sy halatahaka ny « mpanakanto » maro, indrindra fa ireo vao manomboka hampahafantatra ny kanto ataony. Hisintonana kely ny atsy, hakana kely ny aroa, hatambatra avy eo. Dia sahala amin’izay hatrany. Takona ilay asa famoronana.
Anisan’ny mibahan-toerana sady mandany fotoana ny « mpanakanto » sy ireo mpikirakira kolontsaina malagasy, ankehitriny ihany koa, ny fanaovana fampitahana. Lany andro amin’ny fitadiavana ny dikan’ny « fanahy » amin’ny teny vahiny, ohatra. Tsy ny fananana ilay « fanahy » ao anatin’ny tena no zava-dehibe fa ny fikarohana sy ny fanaovana fampitahana : « mitovy amin’ny « esprit » ary ve sa mi­tovy amin’ny « âme » io « fa­nahy » lazain’ny Mala­gasy io ? Vokany, very tanteraka ilay fahalalana ny « fa­nahy maha olona ». Tahaka izany koa : « Inona ary ny hevitry ny « hasina » amin’ny teny frantsay » ? Fandaniam-potoana tsy ahafahana mandroso iray dingana akory ny fikarohana manana endrika tahaka itony.
Tsy any amin’ny teny ihany fa amin’ny zavakanto hafa ihany koa. Ohatra, sary sokitra mampiseho ny hakanton’ny hatsaran-tarehin’ny vehivavy sy ny fitafy malagasy, sns, fahiny, nanjary niova ho sokitra maneho sary miboridandridana… Satria, hono, misy manao tahaka izany any an-dafy. Izay ilay fanaovana fampitahana bontolo.
Nanjary tsy misy fotony ny kolontsaina malagasy

Tsy tazana mazava intsony ny fototra ijoroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy sasany ankehitriny. Zary mivelona amin’ny halatahaka sy ny fampitahana. Tsy mahagaga raha ahitana fifandonana matetika eo amin’ny « fahiny sy ny ankehitriny ». Lany fotoana mifandona eo indray aloha. Mampitaha dia mifandona. Mampitaha dia mifandona… Tahaka izany hatrany hatrany ! Tsy azo inoana ihany koa anefa raha ry zareo teo aloha no hotondroina fa tsy nampita, mihitsy, ny fototra.
Manampy trotraka io fahaverezam-pototry ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy io ny famafazana tantara diso nataon’ny vahiny sy ny forongony. Raha ireny no iaingana, marobe ny zavakanto sy kolontsaina tsy an’ny Malagasy fa nindraminy. Ny dihy « Afin­dra­findrao », nolazain’ny mpanoratra vahiny fa dihy anglisy, hono. Ny fihinanana vary ambaran’ny mpikaroka vahiny sasany fa lova avy any Azia Atsimo Atsinanana, hono, sns. Tsy nanana ny naha izy azy mihitsy ve izany ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ?
… Raha tiana ny handroso any aloha ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, tsy maintsy miorim-paka tsara ny fototra. Ilaina ny misava ny raviny mba ahitana ireo fototra ireo. Io no tokony hitana ampaham-potoana lehibe fa tsy ny fakana tahaka sy ny fanaovana fampitahana. Mila mahay mandanjalanja sy mandinika tsara ihany koa mba tsy hihinana amam-bolony sy hanao rapadango izay hita. Miainga avy amin’ny fototra mafy ny fanatanterahana ny « fanatsarana na ny fampanarahana ny vanimpotoana » raha ilaina sy tsy manimba ny maha izy ilay zavakanto na kolontsaina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: