Lalaon’ny Nosy: Atleta malagasy 45 hanoman-tena any Chine

Araka ny fampanantenana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, atleta malagasy 45 mianadahy hanomanan-tena any Chine.

Manomboka miditra tsikelikely amin’ny fanomanana matotra ny lalaon’ny Nosy ny atleta malagasy. Ankoatra ny fanazaran-tena izay efa tazana eny anivon’ny federasiona tsirairay, hanomboka ihany koa ny fandefasana ireo atleta any ivelany. Araka izany, hanainga ny 11 febroary izao ny andiany voalohany amin’ireo mpanao fanatanjahantena ma­la­gasy, hiatrika fiofanana fa­nomanan-tena any Chine. Miisa 45 mianadahy izy ireo ny hiatrika izany, nalaina avy amin’ny taranjam-panatanjahantena efatra. Avy amin’ny taranja atletisma ny 15 amin’ izy ireo, 14 ny mpibata fonjamby, 8 mpanao tenisy ambony latabatra ary 8 kosa ho an’ny taranja Badminton. Miampy mpanazatra 4 miaraka amin’izy 45 mianadahy ireo, hanara-maso ny fiofanana hatao any an-toerana. Efa milamina ny taratasy ary efa nahavita nameno ny visa avokoa ireto delegasiona malagasy hihazo an’i Chine ireto. Tsiahivina, ny volana desambra 2022 no nanambaran’ny minisitra Tinoka Roberto izao fandefasana atleta any ivelany izao, ka nolazainy tamin’izany fa firenena maro no handray ny atleta malagasy hanao fanomanana, izay mahatratra 100 izy ireo no hisitraka izany. Ny 30 amin’izy ireo hihazo an’i Dakar, ho an’ny taranja atletisma. Mpibata fonjamby 15, hihazo an’i Tonizia, mpitolona 20 hihazo an’i Bolgaria, 45 mianadahy (tenisy ambony latabatra, fibatana fonjamby, atletisma, badminton) kosa izao hihazo an’i Chine izao ary atleta 20 hafa ho any Paris, ho an’ny taranja “Lancer” sy lomano. Tanjona amin’izao fandefasana atleta hiofana any ivelany izao ny hahazoan’i Madagasikara me­da­ly betsaka. Eo an-dalam-pandinihana ny mahakasika ny taranja iraisana ihany koa ny MJS. Ho an’ireo atleta mijanona eto an-toerana kosa, hisy ny fanafarana teknisianina manam-pahaizana hizara traikefa ho azy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: