Minisitry ny Toekarena sy ny vola : « Efa any amin’ny petra-bolan’ny mpiasa ny karama » 

“Tsy isam-bolana akory dia hitondra fanavazana na hanaporofo momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny minisitera. Efa any amin’ny petra-bolan’ny mpiasa amin’izao ny karama voalaza”, io no nentin’ny minisitra mpiahy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, miantoka ny mpiasam-panjakana, tsy hiahiahy amin’ny feo miely manodidina ny karama.
Nanamarina teny amin’ny Tahirimbolam-panjakana, tao amin’ny PGA*, izay mikirakira ny karamam-panjakana izy, omaly. « Rehefa ankatoky ny fifidianana toy izao, mihamaro ary mitombo ny sain’ny mpanakorontana. Tsy mahagaga akory izany fa rehefa mihoatra ny azo ekena tonga ihany ny tenanay mitondra fanazavana », hoy ny minisitra. Notsiahiviny ny fotoana nitondran’ny filoha Rajoelina ny tetezamita, tamin’izany voaloa ny karaman’ny mpiasam-panjakana, koa nahoana izao indray vao tsy ho vita izany ?
« Sanatriavina ny karama tsy voaloa izany. Saro-pady amin’ny mpiasam-panjakana ny karama. Tsy maintsy atao na misy inona na misy inona eto amin’ny firenena, tsy maintsy lohalaharana foa­na », hoy ihany Ramatoa minisitra. Mitaona ny mpiasam-panjakana izy mba hilamin-tsaina amin’ny fanakorontanana, izay iniana atao. « Eo anatrehan’ny porofo fa tsy misy izany karama tapaka izany, koa raha mbola mitohy ny fanakorontanana, efa nahazo toromarika ny mpitandro filaminana handray ny andraikitra tandrify azy », araka ny nambaran’ny minisitra ihany.

Ndrina

PGA* : Paierie
Générale d’Antananarivo.

Partager sur: