«Mutuelle de santé»: hanaovana andrana ny Cisco telo

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hatao andrana amin’ny fametrahana ny «Mu­tuelle de santé» izay fisitrahana tohana ara-pahasalana ho an’ny mpampianatra ny ao amin’ny Cisco Analamanga sy Fianarantsoa ary Befan­dri­ana Avaratra.

Hanomboka amin’ity vo­la­na janoary ity izany andrana izany ary hotombanana any amin’ny volana jona. Rehefa hita fa mahomby ny firin­dran’ny fiahiana ara-pahasalama ireo mpampianatra ireo dia hitarina amin’ny Cisco 111 manerana ny Nosy ny tetikasa.
Vokatry ny fangatahan’ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena no nahafahana nanao ny fandalinana ka nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra hatrany. Nodinihina niaraka tamin’ny Onapascoma sy ny Casus ny famolavolana ny tetikasa hametrahana io “Mutuelle de santé” io.
Afaka misitraka ny fitsaboana eny anivon’ny CSBII sy ny hopitalim-panjakana sa­mi­hafa eto Madagasikara, ara­ka izany, ireo mpampianatra ao anatin’ireo Cisco telo anaovana andrana ireo ao anatin’ny enim-bolana voalohany.

Ilain’ny mpampianatra ny fiahiana ara-pahasalamana toy izao ahafahana mitsabo tena rehefa tojo tsy fahasalamana, indrindra manoloana ny fahalafosan’ny vidim-panafody sy ny filan’ny marary eny amin’ ny hopitalim-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: