“Andao haka hevitra amin’ ny faritra 25 no hevitry ny KMF/Cnoe. Ny anaovanay azy hoe faritra 25: zaraina telo ny faritra Analamanga”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, i Namearison Robert. Ny 20 isaky ny faritra ahitana efatra avy amin’ny fanoherana, efatra mpanohana ny fitondrana, efatra avy amin’ny firaisamonina sivily ao anatin’izany ny KMF/Cnoe, efatra ahitana antokom-pinoana, ary efatra ny hafa ahitana manampahaizana sy ny tangalamena, tandonaka, olobe…
Mivory telo andro izy ireo ary amin’ny daty mitovy, handinika ny andininy voalohany ka hatramin’ny farany ny lalàna mifehy ny fifidianana. Manana hevitra 25 isaky ny andininy amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka izany ny mpandray anjara, araka ny fanazavany.
Ny tolo-kevitra amin’izany no hapetraka amin’ny sehatra nasionaly amina vondrona manampahaizana iray, ahitana ny KMF/Cnoe, ny firaisamonina sivily, ny manampahaizana momba ny lalàna… Amin’izany koa no hakana ny hevitry ny nasionaly : ny avy amin’ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona, ny governemanta, ireo antoko politika tsy voasolo tena teny amin’ny faritra… Hampidirina eny amin’ny parlemanta ny fanitsiana hatao.
Tokony ho vita izany rehetra izany mialoha ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny parlemanta ny volana mey.
R. Nd.