Novonoina noho ny antony tsy fantatra, notriatriarin’ ny roa lahy antsy ny lehilahy iray tao Mandritsara. Nosamborin’ny fokonolona tany an-tranony ireo nahavanon-doza. Niaraka hividy zavatra tao amin’ny renivohitry ny kaominina misy azy ireo! Maty novonoina tamin’ny antsy ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampatakamaroreny, distrikan’i Mandritsara, ny talata 17 janoary teo. Hitan’ny fokonolona niaraka tamin’ny namany roa lahy izy. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ireo sendra azy ireo. Kinanjo, noentin’ireo naman-dratsiny ireo nihazo ny lalana makany amin’ny CEG ity raim-pianakaviana ity. Novonoin’ireo namany ireo izy. Notriatriarin’ireto farany antsy ilay lehilahy ka namoy ny ainy. Voasambotry ny fokonolona noho ny fahitan’ny manodidina ireo roa lahy niaraka tamin’io maty io, tsy vaovao tamin’izy ireo ny nahavanon-doza. Fantatra fa avy ao Mahasora sy Beranemo ireo mpamono olona. Nanao be midina, arak’izany, ny fokonolona ka nisambotra azy roa lahy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo saingy tonga ara-potoana ny tompon’andraikitra. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fandriam-pahalemana ao an-toerana ny ben’ny Tanàna.
Tsiferana R.