Voasambotry ny fokonolona ny mpivaro-jaza iray tao ambanivohitra Vohilava, distrika Nosy Varika, afakomaly. Fantatry ny manodidina fa nikasa hivarotra zaza io lehilahy io ka nanaovan’izy ireo vela-pandrika. Tra-tehaka araka izany ity farany. Notanan’ ireo solotenan’ny mponina ao an-toerana izy. Nangataka ny hivalan-drano anefa io olon-dratsy io kinanjo, tsy hita popoka ny nanjavonany. Zandary folo avy ao amin’ny vondron-tobi-paritra Mananjary nidina any an-toerana hanao ny fanadihadiana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Jean Claude