20 % sisa ny ala tavela! Notsorin’ny Profesora Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Vondrona mpandalina ny varika (Gerp), fa mety tsy hisy ala intsony eto Madagasikara aorian’ny 30 taona raha mbola mitohy ny fandoroana ala.
Manodidina ny 90.000 ha/taona ny ala may eto Madagasikara, raha 75.000 ha ny hazo voavoly. Notsindriany fa, “herim-po very maina izany satria vitsy noho ny ala may ireo hazo voavoly. Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fambolen-kazo eto amintsika, tsy mihatra ny lalàna amin’ny fandoroana ala, tsy maniry ny ankamaroan’ireo hazo novolena. Lasa mifindra monina ny olona, maty sy lany tamingana ny biby mampiavaka ny firenena malagasy, tsy mahavokatra intsony ny tany, ritra ny rano vokatry ny fahapotehin’ny ala”.
Misintona entona ratsy ny ala, mitahiry ny rano, hanaovana fanafody, mitazona ny nofon-tany, ahazahoana rivotra madio. “Vakoka eto amin’ny firenena ny zava-boahary rehetra toy ny ala, ny biby ary ny zavamanan’aina rehetra ka tokony ho koloina” hoy ihany izy.
Tokony hihena 40% ny ala may
Ho an’ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, vahaolana tokony ataon’ny fitondram-panjakana ny fanentanana sy fanabeazana ny olona, tsy handoro ala. Atsangana isaky ny kaominina ny komity mpamboly hazo sy miaro amin’ny doro tanety. Omena asa izy ireo toy ny natao tamin’ny andron’ny fanjanahantany.
Notsindriany fa miankina amin’ny finiavana ara-politika ny vahaolana faharoa. Tokony hihena 40% ny tahan’ny ala may eto Madagasikara raha miroso amin’ireo ny fanjakana. Manodidina ny 85 % isan-taona ny hazo maniry tamin’ireo hazo novolen’ny fikambanana Gerp any Maromizaha Moramanga. “Tsapan’ny mponina ny tombontsoa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka antony tsy nisian’ny doro-tanety tato anatin’ny fito taona”, hoy ihany izy.
Mino ( Mpianatra asa)