Rivodoza Cheneso : ho levona rahampitso na alahady

Niditra an-tanety tao ava­ratr’Antalaha, omaly tamin’ ny 11 ora latsaka fahefany teo, ilay rivodoza Cheneso. Miki­saka mianatsimo andrefana ny diany ka nahafaka 15 km isan’ ora. 90 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 120 km isan’ora.

Mbola mety hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitrasa marefo hatrany izany tafiotra izany ho an’ny faritra Sava sy Analanjirofo ato anatin’ny 10 ora manaraka, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mbola mi­to­etra ny filazana miloko me­na, loza mitatao ho an’ny faritra Diana, Sava ary Analanjirofo. Filazana loza manambana miloko mavo kosa ho an’i Sofia, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Hihena miandalana ny heriny mandritra izao fivoarany an-tanety izao. Hatreto, vinavinaina ho levona an-tanety izy rahampitso na alahady ho avy izao, any amin’ny faritra Menabe. Etsy andaniny, ahina hatrany ny rotsakorana betsaka (100 mm ka hatramin’ny 200 mm ao anatin’ny 24 ora) izay mety hitarika tondra-drano ho an’ireo faritra marefo sy mora tondraka. Mety hiitatra any Boeny sy ny afovoantany izany rotsakorana izany hatramin’ny alahady izao ka mila miomana sahady ny mponina amin’ny faritra iva.

Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza. Tao amin’ ny distrikan’i Befandriana Avaratra ny foiben’i Cheneso tamin’ny 03 ora tolakan­dro teo.

Vonjy A

Partager sur: