Fotoana vitsy lasa izay no nahalalana fa nisy nitriatra ny tilikambon’ny FJKM Tranovato Anatirova. Voalaza fa nilatsahan’ny varatra no nahatonga ny fahasimbana, ka nisy ny fijerena ny fanamboarana sy ny fanarenana nataon’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara. Araka izany, nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny hanaovana ny fanamboarana maika ny tilikambo. Hararaotina ihany koa ny hanaovana ny asa fikojakojana ny fiangonana ao Anatirova, izay efa anjato taona no niorenany ka mila fanamafisana.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Marihina fa efa vita avokoa ny fanadihadiana sy ny fandinihana ny asa rehetra tokony hatao, ka hanomboka avy hatrany ny asa.
Zo ny Aina