Samia tsy ho tiatia kely !

Miaina anaty voina tanteraka ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy iny, nanomboka omaly. Tsy mbola afa-bela amin’ny rambon’ny rivodoza Cheneso. Mitohy ny ora-mikija, miakatra izaitsizy ny renirano marobe any an-toerana. « Dobo » araka ny fitenin’ny mponina any an-toerana ny tanàna, izany hoe, tratran’ny tondra-drano. Betsaka ny fianakaviana mihitsoka an-trano, maro ny rava fananana, simbasimba ny voly. Raha atao bango tokana, latsaka anatin’ny reniranon’olana mangeniheny ihany koa ny isan-tokantrano.
Mila vonjy ranovaky ny mponina amin’ny faritra rehetra nolalovan’ny rivodoza. Efa manana ny tahiry sy ny volabe manokana, hoenti-manana amin’izany ny eo anivon’ny birao mahaleo tena misahana ny voina na loza voajanahary, na ny BNGRC.  Andrasana, araka izany, ny rodobem-piraisankina ho an’ny mpiray tanindrazana, iarahana amin’ny mpitondra isan’ambaratongany. Asa avy hatrany no andrasan’ny traboina, fa tsy kivorivory etsy sy eroa. Marina fa misy ny lamina sy paikady, saingy ilaina ny hazakazaka arahin-tosika avy amin’ny manam-pahefana.
Marihina etoana, sampandraharaha iray, anisan’ny manam-bola sy be mpitsiriritra ny BNGRC. Iza ny olona tsy maniry ny hiasa amin’izany ? Izay indrindra no hisintonana lakolosy dieny ety am-piandohan’ny fotoanan’ny voina isan-karazany. Irariana mba hirindra sy ho mangarahara tanteraka ny fitantanana ny fanampiana ny traboina sy fizarana izay anjara ho an’ny tandrify azy. Amin’ny tranga tahaka itony, tsy maintsy misy foana ny fandoto iray tandroka, ny maningana sy mpanararao-paty. Mitaky ny tomponandraikitra isan’ambaratongany ho hentitra sy hanana fahatsapan-tena, tsy ho tiatia kely ny zava-misy, ankehitriny. Tsy sanatrian’ny vava, ny hadalan’olom-bitsy indray no hanome kisary ratsy ny fitondrana efa mandalo sedra lalina izao.
Taotrano tsy ho efan’ny irery ny mikasika ny asa fanarenana ny simba, sy ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina. Tsy maintsy misikim-ponitra ny mpiray tanindrazana rehetra, mifampitsinjo sy manome izay anjara biriky azo entina. Ohatra iray goavana, tiana asiana tsindrim-peo manokana anio, ny fifehezana ny vidin’entana sy ny fialana amin’ny fanararaotana isan-karazany. Ilaina ny fahaizan’ny Malagasy mampiseho fa iray vatsy, iray aina izy ireo. Tsy ho resabe fa tena fihavanana arahin’asa no iainan’ny mpiray firenena. Entanina ny rehetra mba tsy ho baikoan’ny fitiavan-tena sy ny tombontsoa manokany.

r.r

Partager sur: