T-Club – Boboh sy Tonton Pà
“Tafaray 2023”. Io ny nampisalorana ny fiarahana an-tsehatra hataon’i Tonton Pà (tarika Rebika) sy i Boboh (tarika Mahavanona), anio manomboka amin’ny 2 ora. Natao tolakandro satria sady fotoana hitokanana ny T-Club, toeram-pialamboly vaovao etsy amin’ny 67 ha izy ity. Mazava loatra fa sady misantatra ny taona no misantatra ny andiana “cabaret” izay kasaina hatao isan-kerinandro ao amin’ity toerana ity izy mirahalahy ireto. Tsy fiarahana voalohany ary indrindra tsy ho farany mihitsy ny an’i Tonton Pà sy i Boboh Mahavanona.
Rija Ramanantoanina – Piment Café
Feno 20 taona amin’ity ny nisian’ny Piment Café etsy Behoririka. Anisan’ireo mpanakanto niaina ny fanombohany ary teo foana hatramin’izay i Rija Ramanantoanina. Izy indray no hanohy ny fankalazana anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hiavaka kely ny fiarahana amin’ity, satria hobataina holalaovin’i Rivokely ao ny “orga diamondra”. Hanampy azy i Fy Rajaofetra eo amin’ny piano, Nali Rabarison eo amin’ny aponga maroanaka ary Rindra Rakotosaonina eo amin’ny gitara beso.
Omda – Antsoina ireo mpikambana
Namoaka fanambarana fiantsoana ireo mpikambana rehetra ny Ofisy Malagasy misahana ny zon’ny mpamorona, na ny Omda. Fivoriambe toy ny fanao isan-taona izy io, ka hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny amin’ity, ny alahady 24 janoary izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Ankoatra ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, fotoana fanaovan’ny mpitantana tatitra amin’ireo mpikambana koa io. Efa ela rahateo no niandrasan’ireto farany izany, noho ny olana izay iainan’ny Omda amin’izao fotoana izao. Amin’io ihany koa no hotontosaina ny fifidianana izay ho solontenan’ireo mpamorona, ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Omda.
Nangonin’i Zo ny Aina