AFT : hisy ny fankalazana ny “Nuit de la lecture”

Tanterahina ny takarivan’ny asabotsy 21 janoary 2023, ny “Nuit de la lecture”, amin’ity taona 2023 ity. Isan’ny mankalaza izany koa ny eto Madagasikara, amin’ny ala­lan’ny Alliance Française. Ny amin’ity taona ity, ny any Toamasina no mankalaza izany amin’ny alalan’ny hetsika tanterahina ao amin’ny Alliance Française Toama­sina, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika, izay iarahan’ny Alliance Française sy ny Faribolana. Hetsika maro no entina mankalaza izany. Tantara nomerika, fa­makiana boky, fifaninanana eo anivon’ny literatiora. Ireo no handravaka ny hetsika mandritra ny fankalazana ny “Nuit de la lecture”.
Mitondra voka-tsoa maro ho an’ny lafiny fanabeazana sy kolontsaina ity hetsika ity. Ho an’ny eto Madagasikara manokana.

Lin (Mpianatra asa)

 

Partager sur: