Ambositra : tombontsoa ho an’ny mponina ny fiompiana tantely

Naterin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Ed­gard, tany Ambositra omaly, ny fitaovana fanodinana tantely ho an’Ambositra, faritra Amoron’Imania. Napetraka tany an-toerana moa ny Vovo­nana Platmiam* iarahan’ny tantsaha, ny kaoperativa ary ny mpandraharaha mpamokatra tantely iray volana mahery izay. Anisan’ny tompon’antoka amin’ny fampihodinana ny Taninketsa indostrialy (Odof), na orinasa iray indostria iray, any Ambositra io Platmiam io manodina tantely io.
“Tsy orinasa ho tantanin’ny fanjakana no hajoro fa orinasa ho an’ny mponina eny ifotony. Tsy ho tombontsoan’olon-tokana na olom-bitsy fa ho an’ny mponina eny ifotony. Ny mponina no hitantana azy, satria izay no antony, Taninketsa indostrialy”, hoy ny minisitra. Natao tamin’io fotoana io koa ny tolotra ho an’izay zanaky ny faritra hi­tantana ny orinasa.
“Volam-panjakana madiodio no nividianana ireo fitaovana miisa 75. Midika izany fa manana finiavana ny fanjakana hanangana indostria”, hoy ihany ny minisitra. Tsy maintsy narahina akaiky ny fividianana ireo fitaovana ireo, izay no somary naha tratra aoriana kely ny fahatongavany satria tsy nisalasala ny MICC namerina ireo fitaovana tsy nahafa-po.
Mankasitraka ny Filoham-pirenena sy ny minisitra noho izao fahazoana fitaovana in­dostrialy izao ny faritra. Dis­trika 16 no hametrahana orinasa fanodinana tantely mitovy aminy. Ary heverina fa hahasarika ny maro any Amoron’i Mania koa ny fi­sian’ny fanodinana menaka, voatabia, fary, voamaina sy vokatra hafa.

Ndrina
Platmiam* : Plateforme Miel Amoron’i Mania

Partager sur: