Nanome toky ny Apipa, misahana ny lemak’Antananarivo, omaly, fa tsy misy atahorana ny fiakaran’ny rano na eo aza ny ora-mikija. 0,33 ny haavon’i Sisaony eo amin’ny maridrefin’Ampitatafika. Niakatra 0,03 ny rano tao anatin’ny 24 ora ary mbola hiakatra ao anatin’ny 12 ora manaraka. 2,50m ny refy filazana loza manambana miloko mavo eo Ampitatafika.
1,52m ny haavon’Ikopa eo amin’ny maridrefin’Ambohimanambola. Niakatra 0,12 m ny rano tao anatin’ny 24 ora. 3,50m ny refy milaza ny loza manambana eo Ambohimanambola. 0,7 kosa ny haavon’ny rano eo Ambohidroa. Nidina izany tao anatin’ny 24 ora.
Efa niomana nandritra ny maintany ny Apipa tamin’ny fanadiovana ireo lakandrano eto Antananarivo hiatrehana ny fihavian’ny orana. Anisan’izany ny lakandrano C3 sy Andriantany. Nosokirina mihitsy ny riam-potaka sy ny fasika hatreny Ambodimita. Nalana ihany koa ny tsikafona manelingelina ny fikorianan’ny rano.
Afaka miatrika orana bebe kokoa Antananarivo raha oharina amin’ny teo aloha noho ny fanadiovana natao.
Nisy koa ny fanalana ny riam-potaka amin’ireo ivontoerana fitrohana rano. Fanadiovana ny Canal GR mirefy 14km. Ankoatra izany ny fanadiovana ny Bassin manangon-drano 11ha eo Marais Masay. Nesorina ny tsikafona hanalalahana ny lakandrano mirefy 1km mahery mampiditra sy mamoaka ny rano ao amin’ ny bassin.
Tatiana A