Sahirana ara-tsakafo avokoa ny distrika fito amin’ny 11 mandrafitra ny faritra telo any Atsimo Atsinanana ( Vatovavy-Fitovinany ary Atsimo Atsinanana), araka ny valin’ny fanadihadiana momba ny zava-misy ara-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahafatesana (Smart), natao ny taona 2022. Amin’ny ankapobeny, mahatratra 6,1% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika fa eo anelanelan’ny 2,7% sy 10% izany arakaraka ny distrika nohadihadiana. Ireo ankizy ao amin’ny distrikan’Ikongo no tena nahatiliana ny tsy fanjarian-tsakafo ambony 10% ary ny 5% tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika lalina (MAS). Mahazo vahana koa ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ary mampanahy ny zava-misy satria ao Mananjary 35% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo raha 57,2% ao Ifanadiana.
Ho an’ny tsy fahampian-danja, distrika dimy amin’ny 11 no anatin’ny dingana mampanahy tanteraka: Midongy, Vangaindrano, Manakara, Vondrozo ary Nosy Varika ary efatra voasokajy anatin’ny hamehana. Ao Ifanadiana no ambony indrindra ny taha 39,3% ka ny 10,3% ny zaza ao anatin’ity distrika ity dia tratran’ny tsy fahampian-danja avokoa. Mahatratra 0,34 amin’ny mponina 10 000 ny taham-pahafatesana isan’andro, izay mbola ambany raha mitaha amin’ny fenitra hamaritana ny hamehana.
Tao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny fanadihadiana izay mifanandrify amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra, sahirana ara-tsakafo ny 20%-n’ny tokantrano. Tafiakatra 24% izany any Befotaka raha 22% ao Midongy Atsimo. Tsy mampiasa rano madio koa ny mponina anatin’ny distrika 11 nanaovana fanadihadiana ka, 98% ny taha any Befotaka, 96% any Vangaindrano. Anisan’ny nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza roa Emnati su Batsirai ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy ny taon-dasa ka nisy fiantraikany tamin’ny fambolena sy ny fiharian’ny vahoaka. Niara-nanao ny fanadihadiana Smart ny Unicef, ONN, FAO, minisitean’ny Fahasalamam-bahoaka…
Vonjy A.