Chan 2023 : naneho ny heviny i Dax sy Jean Yves

Tsy mitsahatra ny mizara sy manome vaovao mahakasika ny fifaninanana “Chan Algérie 2023”, ho an’ny Malagasy ny Barea. Araka izany, nisy ny resadresaka nataon’i Dax sy i Jean Yves, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly.
Hoy i Dax, mpilalao sangany ao amin’ny Barea Chan: “Ny zavatra hita, mahay mi­ara-miasa avokoa ny mpanazatra sy ny Staff ary ny mpilalao 24 mirahalahy.” Raha ny heviny taorian’ilay fihaonan’i Ghana sy Soudan, tamin’ny alakamisy, tsapany fa ilaintsika ny mitondra paikady hoentina mandresy an’i Soudan amin’ny 23 janoary ho avy izao. No­marihiny ihany fa tombony ho antsika mihoatra amin’i Sou­dan, isika efa naharesy an’i Ghana tamin’ny isa 2 no ho 1, saingy izy ireo efa lavon’i Black Galaxies tamin’ny isa 3 no ho 1. Izany hoe, resintsika amin’ny resaka famonoana baolina i Soudan. Nohama­fisin’i Dax fa tsy hiankina amin’izany ny Barea fa hiezaka ny handresy an’i Soudan. “Man­ka­hery ireo traboina sy miara-ory amin’ireo olona izay na­moy ny fianakaviana noho ny voka-dratsy nateraky ny rivodoza Cheneso. Mangataka fanohanana avy aminareo izahay. Alefa Barea!” hoy ihany i Dax
Hoy kosa i Jean Yves, lohalaharan’ny Barea Chan: “Efa tsy dia manavao intsony ny tenako miatrika ilay fifaninanana “Chan 2023.”Araka ny fa­nambarany dia efa zatra mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena izy ary efa niomana tamin’izany foana ny sainy. Somary nanahirana ta­miny kosa ny niatrika ilay toetrandro, any Algéria satria tsy mbola zatra hatsiaka toy ny tenany, raha ny filazany ihany. “Efa vonona amin’izany rehetra izany ny tenako”, hoy ihany izy. Tombony ho an’ny ekipa malagasy ny firaisan-tsain’ny delegasion’ny Barea, ary ma­nentana antsika mba hitondra am-bavaka ny ekipam-pirenena, araka ny fanentanana izay nataony.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: