Mahazo vahana aty amin’ny faritra ranomasimbe Indianina ny fanondranana antsokosoko ireo karazana bibidia sy zava-maniry arovana. Tsy mahakasika ny tontolo iainana ihany ny fiantraikan’
izany, fa eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny toekarena ihany koa. Tombanana 7 hatramin’ny 23 miliara dolara isan-taona ny fanondranana antsokosoko atao amin’ireo, ary betsaka ny lafi-ratsiny. Olana goavana manambana ny tsy fandriampahalemana, tsy fahampian-tsakafo, tsy fahasalamana.
Koa mandray fepetra ny COI (Commission de l’Océan Indien) sy ny ONG-Traffic manoloana izany. Nisy atrikasa tany Maurice, ny 16 hatramin’ny 19 janoary 2023 teo, manoloana ny fanondranana antsokosoko, sokajiana anisan’ny heloka bevava.
Izay no mahasarika ny COI mametraka tetikasa maro, anisan’izany ny Recos, fiarovana ny fari-dranomasina hisorohana ny varotra tsy ara-dalàna.
«Miasa ny COI,manentana ny vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana, fitantanana, sy fanaraha-maso ireo harena voajanahary. Na koa manangana sekoly fiarovana dia manofana», hoy ny Profesora Vêlayoudom Marimoutou, Sekretera jeneralin’ny COI. Ezahina ny fiarovana ny fari-dranomasina, raha ny nambaran’io profesora io.
ONG-Traffic tohanan’ny UE
Ny ONG-Traffic kosa, noho ny fanohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) mizara vaovao sy miara-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mifanakalo vaovao ireo nandray anjara tamin’ny atrikasa, nojerena ny fampiharana lalàna sy fifanarahana, na koa nampahafantatra ireo loza mety hitranga.
Manana ny anjara toerany ireo harena an-dranomasina na an-tanety. Misy fiantraikany lehibe amin’ny mponina raha tsy hita amin’ny asany. Mety hitera-doza ihany koa ny fandravana ireo harena voajanahary ireo, hitarika hatramin’ny aretina samihafa mpahazo ny biby.
Ndrina