Nisitraka fitaovam-panadiovana avy amin’ny fikambanana GRET ny orinasa SMA (orinasa monisipaly misahana ny fanadiovana), omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Mikoja Ampasapito ny fanomezana izany. Natolotra azy ireo nandritra izany, ny fitaovam-panadiovana sy fitaovana fiarovana amin’ny asa fanadiovana. Toy ny akanjo aro-orana, baoty sy kapa fitondra amin’ny orana, kifafa, satroka ary borety. Nisitraka ireo fitaovana ireo ny fokontany ao Nanisana sy Ambatobe. Mba hoentina manomboka ny tetikasa lalankely, eo ambany fiahian’ny ministeran’ ny Fanajariana ny tany. Tanjona ny hanampiana sy hanamorana ny asan’ ireo mpiasa eo anivon’ny SMA amin’ny fandraofana ny fako isan-tokantrano. Marihina fa miantsehatra eny anivon’ny fokontany miisa 222, ao anatin’ny kaominina 28, ireo mpiasa misahana ny fanadiovana. Miisa 14 ireo fokontany hisitraka ny tetikasa lalankely eto Antananarivo Renivohitra raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Hanomboka amin’ny herinandro ambony iny ny tetikasa lalankely ho an’ny eto Antananarivo ka anombohana izany ireo fokontany roa ireo. Mbola hisitraka ny fitaovana toy ireto avokoa ny fokontany tsirairay avy, hoy ny tompon’andraikitra. Marihina fa miasa eny anivon’ny fokontany ny rafitra manadio sy mitantana ny fahadiovana sahanin’ny orinasa SMA sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Miara-miasa mba hampahalavorary sy mitandro ny fitaovana tsy ho very na ho simba kosa ny fokontany tsirairay avy. Anjara andraikitr’izy ireo ny mitantana ny fako amin’ny fomba maha mendrika ny tanànantsika.
Mino (mpianatra asa)