Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, tra-tehaka ny iray tamin’ny ireo jiolahy namaky fiangonana tao Ambatomena Fianarantsoa.
Tra-tehaky ny polisy ny iray tamin’ireo jiolahy namaky ny fiangonana Katolika tao Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny Zoma hifoha ny sabotsy 14 janoary teo. Nalain’ireo olon-dratsy ny fitaovana toy ny vata marobokotra sy ny fanamafisam-peo. Noho ny hanatrika lamesa maraina ry masera, akory ny hatairany nahita ny varavarana efa nisokatra. Foana ny kojakoja fampiasan’ireo mpivavaka rehefa manatontosa fivavahana. Nosavoritahan’ izy ireo ihany koa ny lamban-databatra sy ny seza. Niantso ny Pretra tompon’andraikitra io masera io ka nampandre ny mpitandro filaminana ity farany. Natao ny fikarohana. Nahazo loharanom-baovao ny polisy mahakasika ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Voasambotra tao amin’ny fokontany Mokona ny iray tamin’ireo jiolahy, omaly. Naleviny tany anaty tany ireo fitaovana halatra. Nitoroka ireo namany roa lahy niara-nanao ny asa ratsy taminy izy taorian’io. Miroso amin’ny fikarohana ireto farany ny polisy.
Tsiferana R.