Noresahana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny lalana. Nahatsapa ny fanjakana fa nihazakazakabe ny fahasimban’ny lalam-pirenena nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy aminy. Lasa niakatrabe tsy mifanaraka amin’ny lanja feran’ny lalàna manan- kery.
Fa misy koa ny antony hafa manafaingana ny fahasimbana, toy ny tsy fahampian’ny fikojakojana ara-potoana, ohatra. Araka izany, nanapa-kevitra ny fanjakana fa maika ny hanarenana ny lalana simba, indrindra ao anatin’izao vanim-potoan’ny orana izao. Koa, nankatoavina ny fanomezana alalana mialoha amin’ny asa fanamboarana, tsy hanaraka ny dingana mahazatra takin’ny tsenan’asam-panjakana. Manome alalana amin’ny fandaniana ara-bola rehetra ity fanapahan-kevitra ity. Voakasik’ izany ny lalam-pirenena mampitohy distrika samihafa eto amintsika, izay saika lalan-tany ny ankamaroany. Manampy ireo koa ny lalana eto Antananarivo Renivohitra.
Tsy ao anatin’ireo lalana ireo kosa ny lalam-pirenena RN 2? Izay nolazain’ny ministeran’ny Asa vaventy fa hanomboka amin’ny 15 febroary ny asa. Tsy ao koa ny RN 7 sy ny RN 4. Efa tonga any an-toerana kosa ny fitaovana hanarenana ny RN 6, Ambanja-Antsohihy.
Njaka A.