Faritra Bongolava: haongan’ny olom-boafidy ny governora

Raikitra ny hetsika fitakiana ny hanesorana ny governoran’ny faritra Bongolava. Nidina an-dalambe ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitra mpitantana sasany, nanohana izany.

“Feno ny kapoaka, satria tsy misy asa fampandrosoana ny eo anivon’ny faritra Bongo­lava. Manoloana izany, mi­vondrona mampiseho hevitra ny rehetra. Fanehoan-kevitra no natao androany hanairana ny fanjakana foibe ho fanamafisana ny tatitra efa natao an-tsoratra”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Tsi­roanomandidy tamin’ny anaran’ny IRD, Ramaherijaona Hajanirina, momba ny hetsika fitakiana ny fanalana ny go­vernoran’ny faritra Bongola­va tao Tsiroanomandidy, omaly.
Nivory nanoloana ny kianja manara-penitra ny mponina ary nilahatra nanao diabe ta­mim-pilaminana nankeny amin’ny Tranompokonolona. Nisy ny lahateny samifaha ny amin’ny zava-misy eo an-ta­nàna sy antony ary izay kendrena amin’ny hetsika. Nan­dray anjara fitenenana tamin’izany ny raiamandreny eo an-tanàna sy ireo ben’ny Tanàna ary ny solombavambahoaka. Nisy koa ny fifampiresahana nataon’ny mpitarika ny hetsika tamin’ny mpitandro filaminana teo an-toerana. Noho izany, tsy nisy ny fihoaram-pefy sy ny sakana tamin’izany.
Mety mbola hitohy ny hetsika
“Ny tena takinay na takin’ny rehetra, tsy ny olom-boafidy ihany fa ao anatin’izany koa ny olom-boatendry, indrindra ny vahoaka, dia ny hanalana ny governon’ny faritra Bongolava amin’ny toerany”, hoy ny solom­bavambahoaka Ramaheri­jaona Hajanirina. Eo koa ny hampiharana ny lalàna amin’ireo ben’ny Tanàna voarohirohy tamin’ny famonoana olona sy fangalarana omby, izay mialokaloka eo ambany fahefan’ny governora. Efa namoahana didy fampisamborana, nefa mbola miriaria eny.
Arakaraka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ny mety hitohizan’ny hetsika na tsia. Koa andrasana izay ho tohin’ny raharaha. Tsiahiavina fa efa tratran’ny fitakiana ranolava ny fanalana azy ny préfet teo an-toerana, izay vao nosoloina tamin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 11 janoaray lasa teo.

R. Nd.

Partager sur: