IHF Trophy U20: resy indray ny Akio

Faharesena indray no azon’ ny Akio de Madagasikara, ta­min’ny andro faran’ny fifaninanana “IHF Trophy continental U20” Afrika, taranja handball. Lavon’i Guinée, ta­min’ny isa 51 no ho 32 ny Akio lehilahy, tany Congo, omaly. Fandre­sena tokana ihany izany no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, tao anatin’ny lalao dimy izay nataony.
Raha hiverenana ny lalaon’ny Akio farany, tsy nahatohitra an’i Guinée mihitsy ny ekipa malagasy. I Guinée no nitarika tamin’ny isa 21 no ho 12 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Niezaka nanohitra ny Akio, teo amin’ny fidirana faharoa saingy tsy nampiova ny endri-dalao na­sehon’i Guinée izany. Araka izany, nisaraka tamin’ny isa 51 no ho 32 ny roa tonta.
Tsy tanteraka ny fanambin’ireo Akio zandrikely tamin’ity fifaninanana ity. Izy ireo izay hiezaka hanarina ny faharesen’ireo Akio vehivavy tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ny taona lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia mbola lesoka ho antsika ny resaka tanjaka sy ny vatana.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: