KMF/Cnoe : “Tsy fotoana fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena izao”

Namoaka fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe, omaly. “Tsy fotoan’ny fiziriziriana amin’ny hevitry ny tena samirery izao. Aoka samy hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hanalavitra ny hevitra mety hiteraka korontana, tsy hahasoa ny firenena. Fotoana izao ilana ny fahaiza-manao sy ny fifanakalozan-kevitra”, hoy ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo fa tokony hodinihin’ny rehetra ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana mba hipetrahan’ny fitoniana sy ny fitokisana ny fifidianana, lavitry ny kajikajy politika. Ma­hasoa kokoa ny fakan-kevitra avy eo anivon’ny faritra vao aravona amin’ny sehatra na­sionaly, mialoha ny hitondrana izany eny amin’ny parlemanta, araka ny fanambarana hatrany.
Nanterin’ny KMF/Cnoe fa mitaky fanovana sy fanitsiana andininy ny fahafahan’ireo Malagasy monina any ivelany mifidy, araka ny fampanantenan’ny filoha. Tokony ahitsy koa ny andininy miteraka resabe, toy ny fitsarana na ny sazin’ny kandidà nandika lalàna, ny famerana ny fampiasam-bolan’ny kandida sy ny fampielezan-kevitra.

Dridrangilo ny fitanisana fahazoana vola…
Tahaka izany koa ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana…
Nokianin’ny KMF/Cnoe koa fa dridrangilo ny fitanisana ireo famatsiam-bola azo. “Tsy mbola nanalefaka ny fahantrana izany. Miandran­dra paikady hiatrehana ny fahantrana manoloana ny tranga maneran-tany izao”, hoy izy ireo. Vahaolana natsidiky ny KMF/Cnoe ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny mangarahara eo amin’ny fitantanan-draharaha ary ny tamberin’andraikitra.
Niantso ny rehetra koa mba handanjalanja ny teny havoaka izy ireo. Tokony hahay hihaino koa. “Tsy hahasoa antsika ny fifanakianana… Tokony hifototra amin’ny fanolorana vahaolana hivoahana amin’ny fahantrana isika”, hoy ny KMF/ Cnoe.

Synèse R.

Partager sur: